NA IZANY AZA (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana no iantsoako tody
Amin’ny olona notiaviko
Moa tsy efa notohaviko
Ny hampanjaka ny eritreriny
Ka ny fitia natolotro azy
Tsy niandrasako fameriny

Lay salovan-tavany iny,
Efa nikombona ato am-poko
Ka ny fandaozany ahy, tsy ho tsiny
f’ilay nitiavany ahy koloiko
Io no antok’Ifahiny
Tsy ho kina na hiofo

Marina fa tsy ananampiriny
Ny ampoka zay notovoziko
Teo an-tsahanao botsiaka
Kanefa sitrakao ny hanirina
Ny masom-pitiavantsika
Manaiky aho f’izay no ozoko
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo - Fitiavana
1069 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : RHAd
Daty : 08/06/2011 16:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141