SAINGY (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saingy tsy mpanoratr’aho tsy poeta koa:
Ny kely mba voarakitro
Mitrena sy miriatra toa rangotry ny soratra
Dia vato tsy miori-paka, fa singa mba voahatsa
Tanaty fiainana mangoraka

Eny tsy mpanoratr’aho no tsy poeta koa
Angambaiko hoe voahozona hipololotra sento
Hitafako fa maratran’ny alahelo ka maneko
Ireny no asa soratr’ lay foko raha nitempo

Dia lay fo niraparapa, nibitsika niantsa
Fitiavana voarara, fiainam-bolitara
Vetso namololona sy fandatsan’olona
No ranomainty nofinidiko hirakitra lay tolona
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo - fiainana - Fitiavana
890 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : Rhad
Daty : 07/06/2011 09:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141