SATRIA TIAKO IANAO (RHAd)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malahelo aho diaNambarako fa rota
Nandramako natonta
‘lay fitiavantsika roa
Saingy lay alahelo monja
Tsy ampy nampatsontsa
Ny rakitr’ao am-po
Nataoko ampy ho ahy reo taona
Nivalona ho forehatra
Saika hanamaloka ny ho avy
Mantsy inoako lay fotoana
Hanova sy hampanjary
Lay voadin-tsika hilonjehitra
--------
Rohy: