Ampidiro aloha ny tenimiafina
TSY TAFA (RHAd)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny afotroan’ny hirifirikoTsy mety mba mangina
Fa mankahatra aman’aina
Ny fararemotry ny foko
Dia migororona foana
Mba hampiferinaina
Mirara-boa ny votoatiko
Fa nidarabo-tan-trotrony
‘Lay pitik’hafaliana nentiny
Ho tsangan-tsiry sy andrareziny
Amin’ny androny mamony
Tonga antaravelona aho
Volotara iray voaoty
Raozy sarak’aman-taho
Vetivety dia voahosy
--------
Rohy:
