Andao (Rijosiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro aho fa tonga
Tonga mandondona ny fonao ka mba vahao
Tsy hananihany sanatria no anton-dia
Fa tonga hamboraka fitia

Tokana, anjara zegny araiky
Ka tsy iandrasako ela intsony fa sao dia taraiky
Aleo ny fo no hiteny, ny saina mandefitra
Ela niandrasana, androany tapa-kevitra

Fitiavana hafa kely toa tsy misy mpanana
Ilay foko tokana hatrizay, vao nahita anao, nahazo namana
Fitiavana sendra nandalo avy hatrany dia naka toerana
Vao nitsiry toa tonga dia namelana

Tsy sanatria hoe vazivazy
Fa efa ianao mihitsy no nosafidin'ny foko ho azy
Fitia matotra ny ahy, sanatria ny hoe hanadala
Ka andao, andao fa aza misalasala

Vonona aho ny hanaja sy hikolokolo ny fonao
Indro raiso ny tanako ka andao
Efa tsapako fa ianao ilay anjara
Ka etsy hatombontsika ny tantara

Tsy sanatria hoe ankaterena
Ary misy antony matoa ny lalan-tsika nifanena
Ka andao, andao fa aza misalasala
Andao re ry Malala
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
198 2
Mpakafy: miafytiana - Rijosiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rijosiana
Nampiditra : Rijosiana
Daty : 08/03/2024 17:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0863