Voady (Rijosiana)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na ory na faly
Na salama na marary
Dia rano sy vary
Lamban'ankoho no tarigetra
Ka aina no fetra
Faty no hisarahana
Ka ho mandrakizay ny fiarahana

Voady no omeko
Ka izay rehetra mombanao ekeko
Na ny ratsy na ny tsara
Ianao no anjara
Ka hoataoko tsara karakara

Matokisa ianao ry malala
Fa na iza ankahala anadala
Izaho tsy hiala
Na iza mialona manenjika
Ny sambom-pitiavantsika tsy mba ho rendrika

Indro raiso ny tanako
Ny foko s'izay kely mba fananako

Andao re rahavana
Iaina ny tena fitiavana

Tiako ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
380 1
Mpakafy: Rijosiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rijosiana
Nampiditra : Rijosiana
Daty : 21/04/2023 04:56
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153