MOSOARA TOKAN'IZAY (Riman'ny fou)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sendra mba nandalo teny aho hanikeo,
eny amin'ilay teorana izay falehanareo.
Dia nahita ilay malalanao nitanondrika irery,
nisefosefo nitomany fa nahatsiaro tena ho very.
_
Mosoara tokana izay no hany mba namany,
ho fanantazan-dranomaso izay tsy voatanany.
iangonan'alahelo ka tsy maina hatram'izao
fa toa tsy mampino hoe vitanao ny nandao.
_
Izy sy izay mosoar'izay sisa no iray tsiambaratelo
tsy naniry ny hiaradia fa nampifandraisin'alahelo.
ianao no efa fitrainany, ianao no nahazatra
toa tsy nampino fa dia vitanao ny nandratra.
_
Mosoara tokan'izay no nanoratany ny tantàrany
ka nifandimbitao ny anaranao sy ny anarany
saingy teten-dranomaso no solon-teboka farany
io no ranomainty navelanao mba ho anjarany.
_
Izay mosoara tokan'izay hoy izy no LAY
izay namily ny Sambom-pitiavanareo hatr'izay,
nisedra onjam-pitia ka rendrika ilay SAMBO
ka sisa fahatsiarovana hono ity mosoara mando.
_
Izato ianao anefa dia ninia nanadino
namela dian-drangotra toa tsy nampino,
mora taminao ny namafa ny anarany
sy nandrodana ity fiarahana izay nisasarany
_
Ilay raozin'olondroa izay niarahanareo namafy
notangoinao ho an'olonkafa ka izy indray no niafy.
Tsy satry ho valiana ireny ka naleony nitomany,
« fantaro fa mbola fitiavany anao no dikan'izany. »
--------
Rohy:
1282 1
Mpakafy: Riman'ny fou
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riman'ny fou
Nampiditra : Riman'ny fou
Daty : 09/12/2015 21:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014