HAFATRO (Riman'ny fou)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ry rivotra miserana irony
raha sendra mandalo any ho any
fantatro ianao fa tsy hiverin'intsony
nefa etsy hafarako na dia izany.
_
Any hoany mantsy izay malalako izay
tsy fantako hoe aiza fa niova lasy indray
mitsingerina anio ny andro nisarahanay
andro izay tsy ho adinoko mandrakizay.
_
Any izy angamba mety efa nahita soloko
mbola eto kosa izaho sy ity fo torotoroko
any hoany izy izay asa efa nanadino?
ka raha handeha ianao dia izao no vimbino:
_
Tsy ho adinony hono ireny lasa ireny
fa mbola manaloka azy foana eny ho eny.
Tsiarony ireny zava-bita niarahananao
sy ireny sangisangy anembonany anao.
_
zary lasa havelo tsy hay andosirana
ireny lasanay ka tsy hay iodivirana
ao anaty fahanginana no heno manako
mitanisa sy mamoha izay efa nofafako.
_
Ambarao azy fa iny fisarahany iny
dia tsy sitrakin'ny foko fa faniriny.
mety teo koangamba ny hadisoako!?
ka raha nisy izany dia lazao izy fa ivaloako.
_
Hahita azy ianao any andro, any fotoana
mba lazao any fa zaho mbola ato foana
toy ny vain'afo, ka mandoro tsikelikely
ity fitiavako azy tsy ho maty velively.
_
Asa raha nanadino fa mbola tsiaroko
izy foana no ambentin-tononkaloko.
Ampio aho hilanja ity hazofijaliako
vimbino mba ho any izany fahoriano.
_
Tondraho hitambelona ao antsainy
ireny raozy porofom-pitiavako
nefa azony potehina raha toa tsy ilainy,
fa tsy mba harahiko tsiny izato havako.
--------
Rohy:
1495 2
Mpakafy: ninja25 - Riman'ny fou
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riman'ny fou
Nampiditra : Riman'ny fou
Daty : 09/12/2015 21:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156