AZA LAVINA (RMLYDIA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA LAVINATsy haiko atao ny hangina
Ka tsy hamboraka ity faniriana
Satria fantatro fa ianao ilay tiana
Ka ho tiaviko na dia hiaretam-pahoriana
Ireo namako toa manery ahy
Izaho anefa tsy mba sahy
Hoe hanolo fitia vaovao
Satria ny foko efa lasanao
Koa aza lavina re raha azo atao
Fa ity foko anie tena babonao
Ianao irery foana hatramin’izay
Tena marina fa aza manana ahiahy
Koa mba raiso ihany fa mijaly
Aza avela ! ity fitiavako hitomany
Fa hamorony toerana iray
Dia ilay fitiavantsika no hifandray
Tena tia anie aho, tia tsotr’izao
Tsy mba manana eritreritra ny hilalao
Fa hitia amin’ny fo manontolo
Na ho aiza na ho aiza tsy hisy hahasolo
Koa miangavy , milela-paladihy
Mba omeo ahy ilay anjara fitia
Fa ianao anie no safidiko mba ho malala
Tena tia aho fa tsy hisari-adala
Nosoratan'i Raharinantenaintsoa Marie Lydia (RMLYDIA)-03/03/2009
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
RMLYDIA - ZavonaRakoto