TSY MISY FAHADISOAM-PANANTENANA (RMLYDIA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitototo mafy aho nitady vaha-olana
Nilongolongo fona vesaram-pahasosorana
Ny saiko nila ho kivy nieritreritra fa hoe
Very aho sady irery, tsy mba misy olona nandre!

Olona no nantenaiko fa hamaha izato olana
Nanantena ihany aho fa ho afa-pahatorana
Saingy ny toky fitaka fa ny atao no hita
Fa fanantenana pokaty no nampitsiriritra

Mora ery ny miteny , saingy sarotra ny manantanteraka
Tokin’olombelona mahakivy sady mahareraka
Indraindray toa tsy hita intsony ny lala-kombana
Foana ny eritreritra fa rava ilay fanantenana

Diso hevitra aho anefa hatramin’izay
Nanantena olombelona ka nangahiahy
Menatra aho fa Ilay mpamonjiko efa niandry ela
Raha tsy Izy aho ankehitriny efa nahonena

Izy ilay mpamaha olana mahagaga
Tsy mba tara no tsy manao kobaka am-bava
Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny andro fahoriana
Izaho no nitaredretra sady varimbariana

Menatra Anao aho Jesosy malala
Menatra aho satria dia adala
Nampiandry ela Anao teo am-baravarana
Nefa dia izaho no nila fitsaharana

Saingy namindra fo Ianao ka namaly vavaka
Ka ireo olako saro-bahana dia indro fa tapaka
Tsy misy fahadisoam-panantenana tokoa ao Aminao
Fa raha mino sy manantena dia fandresena no atolotrao

Nosoratan'i RMLYDIA le 30 Juin 2013
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
69 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RMLYDIA
Inséré par : RMLYDIA
Date : 07/03/2025 07:18
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0175