Mahatsiaro (RODER)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao no mahatsiaroFa tsy misy aho eo anilanao
Satria ianao sarom-piaro
Ny laharam-pahamehanao tamiko
Tsy hita intsony izao
Na dia mahatsiaro aza ianao
Mahatsiaro ny omaly ve?
Izay tsy hiverina intsony
Fa natao mody tsy teo
Ny fiainana feno ozona
Ny finoana mihozongozona
Fa izao ianao no mahatsiaro
Samy mahatsiaro
Ireo tantara tsy adino
Mitroatra ny fiaro
Fa anio tsy hisy intsony ny alina mangina
Ny taratra masoandro hitondra hafaliana
Ny ranomaso efa nilentika ho lasa tantara
Sisa tavela ny tsiky hifampizarana indray maraina
Ny fahatsiarovana, toy ny rivotra mandalo
Indraindray mampangatsiaka, indraindray mampangoraka
Fa ny fo, raha mitrotro ny marina
Dia mahita lalana hifohazana indray
--------
Lien:
