Tandremo ny fetra (RODER)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza mifanambany, na kely na lehibe,Fa samy manana lanja eto an-tany rehetra re.
Aza manao ny tsy mety, aza mandratra fanahy,
Fa ny ratsy atao ihany, hiverina aminao ihany.
Adalao ihany izy, raha izany no safidinao,
Fa aza atao hoe “tratrako”, sao dia hanenenanao.
Satria aho tsy misangy, tsy kilalao ny ato am-po,
Fa rehefa tezitra aho, mipoaka toy ny afo.
Jereo ange ireto, ny totohondry entiko,
Tsy kilalao velively fa efa tena mafy lo.
Iray monja aminy dia mety tsy ho zakanao,
Ka aleo ajanona izao, dieny mbola azo atao.
RODER, 6 Mais 2026
--------
Rohy:
