Ny Akama (RODER)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zavatra iray manan_danjaTsara sy mahaliana
Dia ny fahaizana manaja
Ny akama tsy azo ariana
Ny akama mety mahasoa
Miakina amin'ny ataonao
Fifandraisana soa
No tokony atao
Ny akama ratsy mitady tombony
Fitiavan_tena no be ao
Ka tsy mahomby
Ny fikasana hataonao
Ny akama dia tokony ho tsara
Mifanampy amin'ny tanjona
Dia mipetraka ho Tantara
Ny soa niarahan'ny nibanjina
14/08/2026
--------
Rohy:
