TSOTRA (RODER)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSOTRA Mifaninona moa izaho sy ianao
Fantatro raha ianao hatrizay ka hatrizao
Tsotra tokoa ianao azoko izany
Tsy mahita akoatranao aho raha eto ihany
Fantatro loatra raha ianao
Fa mieritreritra aho hoe inona no hatao
Tsotra loatra raha ianao iny taminireo
Ahoana no handaozako anao toa mitoreo
Efa nihevitra ny ho tokana ianao
Fa izaho mba mila namana toanao
Hitako fa tena tsotra ny mombanao
Fa ny ho namanao mbola ho hitanao
Manidina ny lolo mitety vonikazo
Isika samy ato no mba mila mifakahazo
Tsotra ianao rahavako mety soa
Raha mety ianao ho namako marina tokoa.
RODER,25 Febroary 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana