AHIAHIKO...... (ROJOSALOHY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AHIAHIKO......
Mandavo ny eritreritro ary mahalasa saina ahy
Ka mahatonga ahy hanontany tena indraindray
Hoe "tena fitiavana ve no iainanay?"
Fa toa haitraitra, asa lahy, fa mampanahy

Fa moa mba fantatrao fa izany atao hoe fitiavana
Dia fanadinoana ny tena hoan'ilay tiavina?
Nietry aho, resy aho, nangina ihany koa
Nanaiky aho, nilavo lefona, satria tia moa!
Manontany tena anefa aho hoe moa mba tsapanao
Ilay afo tsy maty fa miredareda anatiko ao

Ny tiako ho tsapanao anefa
Tsy ho ary ho vitako izay sitrakao rehetra
Ampanjakao mangina ao am-ponao ny fitiavana
Amin'izay aho tsy manam-pandavana

Fa raha mihevitra ianao fa tsinontsinona aho
Ka raisinao ho mpinamana tsotra izaho sy ianao
Laviko tanteraka anefa izany satria diso tsotr'izao
Sarobidy loatra amiko ianao, aoka ho fantatrao
Ka na izay pitik'afo atolotrao ho ahy aza
Dia inoako tanteraka fa hampirehitra ny vanja
Tsy ho hainao vonoina izay efa nirehitra
Ary tsy ho hainao fafàna izay ao an'eritreritro
Dia ianao!
Tia anao aho!

ROJOSALOHY
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1367 2
Mpakafy: rojosalohy - Ainampitia
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157