AZA OMEN-TSINY (ROJOSALOHY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA OMEN-TSINY
Aza omen-tsiny aho rahavako tsy foiko
Mila fitiavana aho, mitady anao ny foko
Saingy hetaheta tsy ho afaka ny ahy
Satria lavitr'olon-tiana, silaka fanahy
Koa aza omen-tsiny ho'aho fa hanadino
Hamafa ao am-po izay tantarantsika roa
Ianao koa hanadino ny fitiavako
Saingy aza manadino ny anarako
Iray minitra ao anatin'ny taona no italahoako aminao
Hamerenanao an'eritreritra ny vita hatrizay
Fa ho hitanao tsara levenana ao anaty sahan'ny nofy ao
Ilay fitiavana mahantra izay nampiray
Tsara tso-drano izany havako izany

ROJOSALOHY
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1515 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097