ATAOKO AHOANA???? (ROJOSALOHY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATAOKO AHOANA?????

Ataoko ahoana ny fitia olona roa?
Ataoko ahoana ny hanenjika voron-droa?
Ataoko ahoana ny filoloha siny roa?
Aleo hajanoko fa mankarary an-doha........

Avelako ny iray tsy manaiky,
Hariako ny ankilany marary,
Izaho anefa tsy te-hiraika,
Aleoko manary ny fitiavany mamy.

Ataoko ahoana ny fizaràko ny fitiavako ho roa?
Ataoko ahoana ny hametrahako ato am-poko tompo roa?
Samy tsy misy tiako hanapaka ny foko,
Aleoko mijery azy roa samy mitoloko.

Na mafy aza ny alahelo sara-tiana
Na tsy zakako aza ny hoe votsi-droa
Aleoko milanja ho ahy ny fijaliana
Toy izay hieritreritra ny hampirafy azy roa

ROJOSALOHY
2005
--------
Rohy:
1252 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ROJOSALOHY
Nampiditra : rojosalohy
Daty : 12/11/2012 11:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146