“Fitia efa ritra” (Romaric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“Fitia efa ritra”


Tankina aho sakaiza;
Fa ritra karakaina ‘lay onin’ny fitia saika hilomanosako.
Dia tsy haiko hoe nankaiza
Ireoranom-pitiavana ,nikasa mba hitosaka.


Fa lasa niodina izy,
Dia indro fa nandao,nandositra ny tavako;
Nitsoaka izay tsy izy,
Angamba koa matahotra ny antsoantson’ito vavako.


Dia niondrika aho hatreo
Fa lasa lavitra any ilay olona efa nantenaiko;
Nitomany aho nitoreo
Fa potika tarangana ‘lay ho avy kely efa nandrandraiko


Dia nofinofy sisa
Ilay izahay mba naniry,ilay nikasa ny hiara hita;
Hay ‘lay fitia no efa ritra,
Ka de indro rava maina ,ny fikasana tsisy vita .





Romaric ( 23 – 03 – 05 )
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
884 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Romaric
Nampiditra : Romaric
Daty : 09/03/2012 15:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139