“Tahirin’ny fitia” (Romaric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“Tahirin’ny fitia”




Akorisako ny peniko
Hitahiry anao r’ilay hany fitiavako;
Ary angamba tsy ho neniko
Ny nahitako anao,fa iny no hasambarako.


Kisendrasendra mantsy
Ilay isika nifanena indray alin’ny ririnina;
Kisendrasendra mamy
Tsy tiako oe hifarana,saingy tsy azoko fihinina.


Ny masoko no injao
Nafahatro taminao,nandinika maharitra;
Fa ny foko sisa izao
No injany mahatsiaro ilay fitia tsy oafaritra.


Dia ilay masonao nangalatra
Nitopy teny amiko,na …angamba hoe tsinahy;
No indro nampitambatra
Ny herin-tsaiko sy ny foko,hilaza anao hoe ahy

.
Dia nitsiry toa am-poko
Ny fitiavana anao,niha nahazo faka;
Dia lasa toa tsy foiko
Iny tsikinao mangina s’ilay oroka indray maka.



Kanefa ianao tsy ho hitako
Fa iny alina iny no voalohany sy farany nahtako anao;
Dia asa fa ny vintako
No indro hanakinako,ireo andro hifanenana aminao;





Romaric ( 12 – 07 – 04 )
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
961 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Romaric
Nampiditra : Romaric
Daty : 09/03/2012 15:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145