“Mionona” (Romaric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“Mionona”


Ny foko no adala e…!
Fa mbola mikiry ny hiantso hoe “Malala”
‘Lay fo tsy mba manina;
Hany ka valalanina.
Ny fitiavana mantsy no be ao anatiny;
Ka mila tsy ho tantiny
Raha tsy nolazainy;
Sy nodradradradrainy.
Kanefa indrisy;
Fa dia sahinao ny nampitampify
Sy nampahory
‘Lay fo torotoron’ny fitiavany adala.
Tena sahisahy hianao malala a!
Dia mbola niapanga ;
‘Lay fitia tato ampoko ,fa hoe vangavanga,
Sy tsy mendrika ho ekena;
Ka dia nihenahena.

Kanefa akia malala
Dia mangarahara;
Madio tsisy pentina
Ary tsy nety ho voatentin’
Izay eritreritra maloto ;
‘Lay fitia tato am-poko


Eny e…!izay tia hono adala e…!
Dia minia tsy mahalala
Ireo eson-tenin’ny olona;
Fa variana ery miventso ny famololon’
Ny fitiavana anao.
Dia izao,
Efa voadaka
Vao mba mahatsapa
Fa hay adalana
Ny nitafana
Taminao isan’andro;


Na maraina naatoandro.
Ary hay fahoriana;
Sy fijaliana
Ny akon’ilay faniriana
Te ho anilanao

.
O…!mionona ry foko
Dia fenoy hafaliana izay mety ho toloko
Dia aza misy itarainana
Fa izany no fiainana.



Romaric ( 02 – 07 6 07 )
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1107 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Romaric
Nampiditra : Romaric
Daty : 09/03/2012 15:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0504