Fa namako ianao.. (sahyman)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa namako ianao,
rehefa injay dorehitra ny faravodilanitra
ka mifampita hafatra
ny andro sy ny alina.
fa namako ianao,
rehefa injay mitosaka ny voninkazo manitra
mamerovero fatratra
mifono hevi-dalina.

Fa namako ianao,
rehefa injay manintona voarakitra an-tsary
ny doboky ny morona
sy riandrano manga.
fa namako ianao,
rehefa indray mivetso ny tamba-javaboary
midera Ilay Mpamorona
Mpahary mahagaga.

Fa namako ianao,
rehefa mifanjohy ny eritreritsika
anatyseraseran'
ny "mailaka" iombonana,
fa namako ianao,
rehefa mifandray ny karajiantsika
ka mifampiera
anaty "tranonkala" izay hifanatonana !

mpanoratra : sahyman
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
1921 0
Hevitra mandeha
andriary ( 14/10/2004 14:37)
araka ny fijeriko dia vao sambany ny tonokalonao nampidirina tato ity kanefa dia mamoha fanahin-tonokalo ny mamaky azy!ny sary raketin'ny tonokalo iombonan-kafatra no mambabo ahy @ tonokalonao!azo antoka fa raha tsy olona sentimental tsy ahavita toy izao!ataovy maromaro!
sahyman ( 15/10/2004 09:53)
misaotra anao ry andriary naneho ny hevitrao sy nanome fampaherezana.Marina tokoa fa vao iray no tononkaloko ato satria vao haingana ihany aho no tafiditra ho namana.Mbola ho avy ny sentiment manaraka é....!
toetra ( 18/10/2004 11:22)
Tsara !
Indro kely, mihoatra kely ny gadon'ny an-dàlana farany :
(anaty "tranonkala" izay hifanatonana !) dia lava kokoa nohon'ny (ny "mailaka" iombonana,
).
Mankasitraka
sahyman ( 20/10/2004 15:33)
marina izany ry toetra , izay aloha ny aingam-panahy tonga tamin'io fotoana io.Misaotra anao nanitsy fa tena namana tsy misorona tokoa. Rehefa indray andro any avoakantsika boky ny tononkalon'ny namana rehetra dia efa hovoahitsy tsara izy amin'izay.
Mankasitraka o !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : sahyman
Nampiditra : sahyman
Daty : 14/10/2004 11:34
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139