HO AN'IALAHY POETA SY IALAHY MPANAO GAZETY . (sahyman)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa te hiteny ialahy, te hidradra mihitsyfa sarintsariny ihany
ny zo sy ny safidy;
fa resabe sy fitaka
ny tena fahafahana,
fa kabary lava ambony vavahady
ny sata sy saranga
lazaina fa mitovy.
Kanefa ialahy tsy afaka, na dia maniry mafy !
fa voafehy ny vava,
tadiavin' ny "mpitondra" ho vidiana vola
fa voafehy ny tànana,
k'izay tian'ny "ngeza" no asainy ambara lava
fa voafehy ny maso,
takonana abobo sy resa-politika
fa voafehy ny sofina,
tsy manan-jo hihaino ny marina rehetra .
Kanefa izao tsarovy, mpanoratra ialahy
mpanao gazety sambatra :
andry andrasanay hijoro am-pahasahiana,
loharano soa hamelon'aina anay matin-ketaheta,
afo sy fanilo hany manazava ny haizin-kitrokay,
tany itsanganan'ny tongotray marefo sy kere,
habakaba-manga antenaina hitondra fanan'ny johary !
Hangina ve ialahy ? ho moana an-tsitrapo
sa hanampi-maso, hanao raosy jamba ?
minia hanampi-tsofina, minia ho bemarenina,
sa hamonkon-tanana, hamihina ny azo ?
Mba saino ho'aho leiroa......
.....ho lo anie ny penina é !
facebook_Andy Rebabe_24 novambra 2012/sahyman
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy