Fikirizana - Sambatra
N'inon'inona kasaina
Ka heverina ho atao
Raha tsy manana anao
Dia manjary ho rava maina
N'inon'inona katsahana
Ka heverina ho tanterahana
Raha tsy manana anao
Dia ho zary zava-poana
N'inon'inona najoro
Ka irina tsy hikoro
Raha tsy manana anao
Dia zary hirodana daholo
Na ory aho na faly
Na malahelo na tomany
Raha tsy manana anao
Dia zary famoizana ihany
Ka n'inon'inona sedraina
Eny, lalovana ety
Raha tsy eo ianao
Tsy misy manjary avokoa
Sokajy :
fiainana
Mombamomba
Mpanoratra : Sambatra
Nampiditra : miadanaDaty : 22/11/2003
Mpamangy : 1186
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tso-dranoMahery ny fitia
An'i malala
Ity foko
Faniriana
Variana sy sondriana