Variana sy sondriana - Sambatra
Azo vakiana?
Variana loatra ianao
Ka tsy tsapanao akory
Ity foko mitoloko mitalao
Maniry mafy anao
Ny vetsovetso-poko anatiko ao
Toa tsy henoinao akory
Fa toa mandalo miserana ihany
Maro koa aloha ireo lolo manodidina
Ka tsy omeko tsiny ianao
Raha toa ka variana sy sondriana
Mankafy sy mankamamy izany
Asa mba rahoviana re vao ho tsapanao
Izato foko mitempo ho anao
Hevitra mandeha
vale (12/03/2007 00:15:28)
ndryyyy.., izany tokoa ny ftiavana e, hirina mapahory izy io ry sakaiza,hihihi
Mombamomba
Mpanoratra : Sambatra
Nampiditra : miadanaDaty : 22/11/2003
Mpamangy : 1605
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tso-dranoMahery ny fitia
An'i malala
Ity foko
Faniriana
Fikirizana