Ho azy ihany (sodifafana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho azy ihany!



Ho azy ihany no nijaliko sesilany
Namoiziko ny tiko
lay tiako, zay tena tiko, tiko hatrany
Ho azy ihany!

Ho azy ihany no nihafiko lozan-tany
Nisotroko ny mangidy
Lay mangidy, tena mangidy, mangidy zany
Ho azy ihany

Ho azy ihany no niaretako avy tany
Reo latsa-kavana
Latsa,latsa-kavana, latsalatsa tsy ho lany
Ho azy ihany

Ho azy ihany no nanekeko hatrany hatrany
Ny safidiny adala
Lay safidy, safidy adala, safidy zany
Ho azy ihany

sodifafana
HARY LE 09 dec.09
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
866 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : sodifafana
Nampiditra : sodifafana
Daty : 28/12/2009 09:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1328