TSY VOASOLO (sodifafana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY VOASOLO

Nafoiko izy ka novako
Endrika hafa loko tao
Ny tsanganany nombako
Hitovy lasitra aminao

Ny fijery tsy analana
Toyn izao anao zao
Lay feony malama
Zay fandreko taminao

Rahan misokotra ny vava
Ka mipoitra izato nify
Tena ny anao mazava
Zany izy raha mitsiky

Ny volony sahondrahondra
Sady lava tsy hay tohaina
Ny anao fa tsy niova
Mba marina io ry somboniaina

Lay akanjo tohi-tena
Zay fitondrany mazana
Tsy mba lavina , ekena
F'dia ny anao re ralala

Fa , ilay fo mitempo anaty
Njao midobodoka ao
Tsy voasolo mandra-maty
Hafa ihany ilay ANAO


SODIFAFANA
--------
Rohy:
904 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : sodifafana
Nampiditra : sodifafana
Daty : 25/06/2010 08:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226