Rava (Sombiniaina Rakotoarivony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Heee!! tsy tamana ianao fa lasa
Angamba toa nahita hafa
Dia nilaozany ny tena
Fa tena bandy mihenahena

Asa, zay kosa anga no tiany
Ny aminay tsy faniriany
Fa ny hanorina any an-kafa
Sy hanadino ny efa lasa

Tsy ampy angamba ilay nomeko
Ka tsy tamana izy hatreto
Sady leo ny ady lava
Tsy nahoany, fa toa rava

Rava, rava mantsy ny anay roa
Tsy dia avy amiko tokoa
Fa ny efa tao an-tsainy
Olon-kafa no ilainy

Dia nandefitra aho satria
Mafy zany tena tia
Mba tsy hamoizako ny foko
Dia aleo ianao soloiko

Tsy anjara ny antsika
Matoa toa samy vita
Malehova mahalasana
Dia ny amiko fafana
--------
Rohy:
1288 1
Mpakafy: Las
Hevitra mandeha
tojoninofy ( 18/06/2015 14:26)
Misaotra rangah fa ten 'mlay a!. Aza mety kivy zany e! fa tsy ,izy irery akory anie no olona eto an-tany
Las ( 19/06/2015 11:58)
tsy tena nisy io ka!! mba aingam-panahy niakatra fotsiny ee!! misotra ee!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sombiniaina Rakotoarivony
Nampiditra : Las
Daty : 18/06/2015 12:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1383