Dada (Sombiniaina Rakotoarivony)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada, niaritra ny mafy ianaoEfa hatramin'ny ela ka hatram'izao
Nikaroka ny soa, nitady ny lafatra
Ho anay avy koa, nikolo sy nananatra
Nanitsy sy niteny anay ianao
Rehefa tsy tsara sy tsy nety ny atao
Mba tsy hivilivily lalana
Nanisy fefy tsy azo hihoarana
Eny, nitia anay tokoa
Tsapako eto izany noho ny zava-tsoa
Natolotrao ho anay
Maromaro fa tsy iray
Tsaronay ireny ry dada malala
Fisaorana no hatolotray tsy an-tsalasala
Ny hirinay sy hatolotray izao
Misaotra ry dada, ho ela velona ianao
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana
Fans:
Las
