Avia ho eto anilako (Sombiniaina Rakotoarivony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
any ianao ry lay tiako, izaho aty manina anao
nefa ny mba faniriako, dia ny hitoetra eo akaikinao
fa dia nahoana loatra re, no tsy eto anilako ianao
mampanitany tena hoe, hadisoako ve izao

tsapanao tokoa angamba, ny fitiavako anao
mba avy eto akaiko, mba miangavy ra azo atao
avia eto akaiko ra manam-patokisana
fa ny tanjo-tsika roa dia hanakatra ilay kintana

aza mihaotra ianao ra toa ka tia
ny hamitaka anao tsy ataoko, sanatria
tiko loatra ianao ka tsy foiko
ka hanapankevitra aho, ny hanolotra ity foko

tsy hanararaotra ilay fitia no iantsoako anao
fa hanolotra ity tenako mba ho malalanao
izay lay teny indraim-bava izay avy aty am-po
mba raiso re rahavako ilay fitiavako mifoha
--------
Rohy:
1455 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sombiniaina Rakotoarivony
Nampiditra : Las
Daty : 08/05/2015 13:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0587