Ny lasa - Syrius
Azo vakiana?
Na de be aza ny olana eto an-tany
De tsy atao mahakivy zany
Ny hoa avy irosoy
Fa ny lasa adinoy
Izay vita aza anenenana
Nafa ezaho mba tsy hiverina
Ny fiainana mbola ho lava
Fa ze lasa de tantara
Avadio hatr'eo ny pejy
Ezao ahitsy izay tsy nety
Ataovy tsara ny safidy
Mba tsy ho tojo indray ny mangidy
Lasa ny ora, lasa ny andro
Tsy maintsy hibalika ny masoandro
Ho hitanao ilay hasambarana
Ilay tanjona ho tratrarina
Sokajy :
Fiainana
Mombamomba
Mpanoratra : Syrius
Nampiditra : TyrexDaty : 04/03/2009
Mpamangy : 1004
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ianaoraha toa ianao
Namana