Namana (Syrius)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faly ery re ny tena
Raha nahazo anao ho namana
Sarobidy toa harena
Nomena fa tsy nangalarina

Nifampatoky, nizara tsiambaratelo
Nifanome hevitra, nifanoro lalana
Mba hamalifaly, hamafana ny alahelo
Satria zay no maha mpinamana

Tsy ho adino, tsy ho very
Reo zava-drehetra noresahana
Fa vao maika hanome hery
Hanamafy hatrany ny finamanana

Andro vitsivitsy zay no lasa
Nanao ratsy anao ve ny tenako?
Satria niova enao toa hafahafa
Raha eny hifonako aminao ry namako

Ankehitriny ve ho rava
Ny naha mpinamana hatr'zay
Sa mbola hitohy, mbola ho lava
Haharitra ho mandrak'izay
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
2450 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Syrius
Nampiditra : Tyrex
Daty : 25/03/2009 19:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135