You are here: home > Vetso

Aza matahotra - Tahina Ravonison

Diso fanantenana, kivy ary reraka ve ianao?
Mahatsapa tena ho very, tsisy intsony ny azo atao?
Aza matahotra fa henoy ny Teny Soa mahafaly izao
Raiso anio Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjy anao

Ny aretina, ny olana isankarazany koa mety hiseho
Indraindray toa mila tsy ho tanty, eny tena mankaleo
Ento eo amin'ny Tompo fa hovahany daholo ireo
Eny, aza matahotra na mivadi-po akory ianareo.

Mivavaha ka aza mitsahatra fa andro farany izao rankizy
Mibebaha ary ampaherezo ny reraka ao anaty krizy
Hatsangano ny maty aza mamoy fo mangorona valizy
Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy

Aza matahotra izay efa hiaretanao, fikiro ny Tompo rahalahy
Tsy maintsy hisy fanenjehana, ady atrehana, sy toetra voazaha
K'aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy
Fa handray fiainana izay mahatoky hatramin'ny fahafatesana, izay sahy

Tahina RAVONISON

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Tahina Ravonison


Nampiditra : hery
Daty : 17/10/2019
Mpamangy : 69
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tsetsatsetsa tsy aritra
Ekipa mpiray fanantenana
Fanetren-tena