Tsetsatsetsa tsy aritra (Tahina Ravonison)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy voatery izaho sy ianao amin'ny fiainana, ny safidy no mamaritra
Tsy voatery hoy aho, henoy ange, ireto misy tsetsatsesa tsy aritra
Tsy voatery hamorona na handainga raha manafina ny marina
Tsy voatery fa tia, dia manaiky hizara, hamonjy sy hanarina

Tsy fiadian-kevitra ny devoly, fa fanohitra tsy misy fepetra
Tsy fanatona ny fakam-panahy, fa fisedra ny fizahan-toetra
Tsy fady ny fifankatiavana, fa fandositra kosa ny fijangajangana
Tsy fanamarina ny fahotana, fa famela ny heloka izay tokony hialana

Tsy fankalaza ny diso sy ny ratsy, fa fidera ny marina sy ny tsara
Tsy fanary ny soa azo, fa fitady ny very, tsy lahatra io tsy anjara
Tsy mba fanao tsinotsinona ny kely, fa fanaja anie ny lehibe
Tsy ratsy ny fananam-bika sy tarehy, fa matahora ilay Mpanome

Tsy izay manao Tompoko Tompoko rehetra no miditra ny Fanjakan'ny lanitra
Tsia, fa ireo mino sy mankato, dia ireo zanak'Andriamanitra
Tsy izay ambaran'ny vava ihany no mahavonjy, fa miampy ny ao am-po
Tsy ny miditra ao am-bava no mahaloto, fa ireo mivoaka tsy mahasoa

Tsy izay araka ny miseho no Jiosy, tsy izay miseho amin'ny nofo no famorana
Tsy ny tiantsika no tsy maintsy atao, ny fo sy saina mila hovaina
Tsy maintsy hombohina ny nofo, ny faniriana, ny filàna mila fefena
Tsy foana tsy akory ny fikelezantsika aina, mahareta amin'ny famonjena

Tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo
Tsy hoe zazavao tsy mahay manetry tena, tsy vonona ny hanompo
Tsy ireo dimbin'i Mosesy na taranak'i Abrahama ara-nofo
Tsia fa ireo nofidiany nanaiky hanaradia sy nilofo

Tsy izay nanota va no niampatrapatra tany an'efitra ny fatiny?
Tsy hoe tsy tafita, fa tsy mba nahitana finoana tao anatiny
Tsy nahazo niditra ny fitsaharana izy ireo noho izany
Tsy kilalao anie ny fiainana eto fa mitohy hatrany an-danitra any!

Tsy misy takona izay tsy haseho, fa vavolombelon'ny mpiasa ny bainga
Tsy mba hiditra ao izay tsy masina sy vetaveta sy ny mpandainga
Tsy natao ho an'ny tsy mino sy kanosa anie ny lanitra rey olona
Tsia fa natao ho antsika mahatoky Azy, ka miady sy mitolona

Tahina RAVONISON
--------
Rohy:
652 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tahina Ravonison
Nampiditra : hery
Daty : 17/10/2019 18:31
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139