Fanetren-tena (Tahina Ravonison)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Endrey, lehibe ny Mpahary, mahagaga loatra ny planiny
Izao tontolo izao tsy maintsy hiankohoka sy hanaiky Azy
Ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra eo aminy
Dia ny mpanjaka, ny firenen-drehetra, eny ny any an-danitra aza

Ao aminy no misy fiainana, voninahitra ary harena
Omeny anao malalany, manaiky sy mamaly ny fitiavany
Ianao ilay matahotra Azy ary koa manetry tena
Tsy hamitaka Izy fa hotanterahiny izay naloaky ny vavany

Izay manaraka Azy amin'ny fanetren-tena no sitrany
Hozarainy fahendrena, eny hasandrany tokoa
Ao amin'ny torotoro fo sy mangorakoraka no itoerany
Fa toheriny sy alainy baraka ny miavona am-po

Mitaky fahamatorana izany fa tsy mila taitaitra
Ny fanetren-tena diso toerana, mila dera sy porofo
Endrika ivelany ihany nefa tena haitraitra
Mampahory tena nefa mampanarana ny nofo

Ny Tompo mitady olon'afaka, misafidy hanetry tena
Tsy miray tendro na mitsikombakomba amin'ny ratsy
Tsy manaiky tsy sazoka, tsy kanosa na hoe terena
Fa manolo-tena ho Azy na toa ambanana amin'ny antsy

Raha amin'ny olona dia toy izao ny hoe "fanetren-tena"
fanampiana ny hafa, fahafoizan-tena sy izay sarobidy
Ny fotony dia fitiavana, ny tanjony kosa dia famonjena
Hanatsarana fifandraisana io, mety amin'ny fomba lafo vidy

Ao amin'ny Tompo indray dia mibaboka sy manaiky Azy
Hitantana ny fiainana ary hanaraka ny Sitrapony
F'izay mankato ny Tompo ary tsy mivazivazy
Mahazo fitahiana maro, ny fiainana mandrakizay no zony
Tahina Ravonison
--------
Rohy:
679 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tahina Ravonison
Nampiditra : hery
Daty : 17/10/2019 18:27
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139