You are here: home > Vetso

TANDRA - tandry

Antsoiko hianao hoe Tandra
satria antenaiko ho manam-panahy.
Na dia lavitra aza ny elanelan-tany
Ny foko lasanao avy hatrany
Ka ataoko ahoana ny handà
Ny tsy hivetso ho anao ry Tandra
fa sady mamy no tena tiako
Ny anilanao ka ho fidiako
Tsy hoe hirahira na angano
Na entina hanalana hamohamo
No hanoratako azy ity
Fa izaho tena tia
Raha ianao no mandà
Dia tsy haiko ny hanjo ry Tandra
Aleo angamba dia lazaina
ianao dia silaky ny aina

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : tandry

Nampiditra : tandry
Daty : 23/11/2006
Mpamangy : 923
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

lalaina
lalaina
JONO
03 desambra
AVY AO AM-PO
TSY NAMPOIZIKO
olondroa

Hametraka hevitra

Midira aloha