TSINJOVIKO (Taniezaka)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny lalanao iny... tsofin-drano mba ho tody
eto aho hankahery mba handroso foana ianao
Dia aza miherikerika mijery ahy eto intsony
fa 'ndehana dia sambara amin'ny fiainana vaovao...
tsy hitoerana alahelo

Mba satriko ho reko izany hafalianao be
Na ilay sarinao aza ny hanambara izany
Tiako mba tsy hanenina... any aoriana ise
F'izaho aza no tokony mba latsaka tomany,
Tsy nahafafa fahatsiarovana

Irariako ho tomombana ny zavatra kasaina
Irariako hisy hitantana hatreny lavitra eny
F'izaho raha eto ihany dia aza iasàna saina
Fotsiny no ilaiko dia ianao mitsiky kely
raha sendra mifanena

dia mitomboa harena... amin'ny ezaka atao
na fanahy na fahalalana samy ho feno tsisy hipiaka
fa inoako ho sahirana raha teto foana ianao
Sao koa dia ho tsiniko ny misy tamintsika,
Raha toa teto no tsy ampy

Ny eto mantsy akia mbola ady be vao tafa ah!
Tsy mbola manantena na miasa be ny saina
Soa ianao koa niala fa mety tsy hahazaka
ny tolona ataoko raha manao vy very ny aina
vao tena hoe mba mihinana

Ka iny lalanao iny ...tsofin-drano mba ho tody
Eto aho hankahery mba handroso foana ianao
Dia aza miherikerika mijery ahy eto intsony
fa 'ndehana dia sambara amin' ny fiainana vaovao...
Ho lavitra ahy indrindra


Taniezaka
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
247 2
Mpakafy: Taniezaka - hery
Hevitra mandeha
hery ( 08/02/2024 06:16)
Vitsy mihitsy ny olona mbola maitso-drano ny olona misaraka aminy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Taniezaka
Nampiditra : Taniezaka
Daty : 08/02/2024 03:14
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0814