...TONONKALO FARANY... (Taniezaka)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Ity no redirediko sy tononkalo farany"
Sisa fara-sentoko tsy mbola lasa feo
Ity no ainga sisa mamaritra ny anarany
Sisa farim-peon' ny tomaniko hanikeo,
...nanontsina ny foko

"Iriako tsy handoko tahak'izao intsony ny hoaviko rehetra.
Tsy tiako hiverenana ny raozy misy tsilo fa 'ndraindray mahery setra.
Dia lasa tsaoka lesona no hany zava-tsoa mba azo taminao
nananatra ahy ianao fa mahaiza mankatia amin'ny olona vaovao
...Fa ny antsika tsy anjara

Raha vakiana ny tantara dia izao no tena adala mora babo loatra
Ny vava tsy mahay fa efa noratraina dia mbola sahy nisaotra
izany no mamintina ny fo sy ny fisainaiko raha tena hoe faritana
malemy dia malemy , rehefa tojo fitaka dia saro-panasitrana
... fa olona marefo

Veloma sisa omeko fa izay ny voatsiram-
bin'ny tanako ankiroa
fa ny tapaka forohona , ny sary sy ny sisa
aleo ho vakoka ato am-po
Tsy hotsaroina ireny fa fanomezan-kasina "ny lasa tsy adinoina"
Mitso-drano anao aho fa ny lasana rehetra azonao vonoina.

...Izay no fara-teniko!"

Tsy hiaona intsony isika , haiko fa izay no tena andrasanao
Veloma aky malala ah , mety any am-parany any vao hita indray ianao
Hamafa ranomaso aho fa tsy hitavandra aminao izany intsony
Dia hitia olona aho , irariako mba ho olona iraky ny ambony!
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
103 2
Mpakafy: Noeliva - Taniezaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Taniezaka
Nampiditra : Taniezaka
Daty : 18/02/2024 07:17
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162