Ramiaramila (Taniezaka)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitanay mihitsy e!
F'ialahy Ramiaramila dia hozatra tsy laitra.
Ialahy efa nozarina ny kotrana an'ady.
Ialahy koa 'lay nasahy nampitondra anay mafaitra.
Ialahy tsy mba honena na aza efa nandady,
ilay olona kely aina.

Ialahy tsy mba nisaina rah' namono Malagasy,
Navela horesim-bola ny fitiavan-tanindrazana.
Ialahy tsy nisy henatry ny baomba sy poa-basy,
Nalefa teny foana na hita f'efa havana,
tsy misy fo mangoraka.

Ialahy ilay mpandrobaka ny vola kolikoly.
Ialahy no famenon'ny mpanitsaka lalàna,
Sandaina aman'alina tsy hitondra ho aiza akory.
"Mpamadi-tanindrazana 'lay manam-pahefana "
Amin'izao fotoana izao!

F'efa fantatrao mazava fa vazaha ilay tompoina,
D'ialahy no mbola pomba sy miaraka amin-dratsy
Ny mpiaro-tanindrazana ratraina sy vonoina.
"Izany ve ialahy no mbol' antsoina Malagasy ?"
Mandanay vahoaka eh!

Tafondro indray hapoaka f'izay tsy maintsy hiady e!
Teto 'zahay no teraka dia eto zahay no maty.
'Zahay masahy mijoro anatin'ny herim-po,
Tsy avelanay hiverina ny jalinay taloha,
Nanjanaka ny taniko

F'ialahy "Ramiaramila " rah' toa tsy anampy anay ah!
Hanjoy anao eo foana ny jaly hatramin'izay
nozakain'ny Malagasy.

Taniezaka
4/09/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
240 2
Mpakafy: hery - Taniezaka
Hevitra mandeha
hery ( 13/11/2023 13:13)
eo amin'ilayi hoe "Ialahy koa 'lay nasahy nampitondranay mafaitra."
Iza no mitondra mafaitra? Ramiaramila sa ilay izahay? Misy dikany roa:
- Nampitondra anay mafaitra => izahay no mitondra
- Nampitondrainay mafaitra => izy no mitondra
Taniezaka ( 20/12/2023 04:59)
Misaotra indrindra tompoko
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Taniezaka
Nampiditra : Taniezaka
Daty : 06/11/2023 15:01
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141