IKALAKELY (Rakotoharisoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia lasa indray Ikala rehefa mody ny olona
Alina ny andro, manomboka ny tolona
Ny tarehy marevaka, maika ny fandehany
Hitsena ireo mpanjifa, hivarotra ny tenany

Salorana ny tsiky, mavitrika ny dia
Mihirahira kely mihitsy aza sanatria
Tsy eritreretina izay mety ho tonga eo
Maloto, ratsy fofona, mety hampiaka-peo

Na mety mba hadio, na mety mba ho mora
Raha tena tsara vintana, dia mety ho tanora
Mety mba tsy ho mamo, mety mba halefaka
Mety tsy hisy anio ny ompa sy ny tefaka

Fa dia nahoana loatra no hafa fitadiavana
Hafa kely loatra ny azy ny fitiavana
Samy manontany, samy maminany
Izay tany am-boalohany nahatonga izany

Ianao no manontany, ianao no lasa saina
Fa izy mafy toto, tsy mba mitaraina
Faran’izay lentika no itadiavany hery
Hiatrika ny anjarany, azy samirery

Dia lasa Ikalakely, hanoratra tantara
Tsy miandry anao hangoraka, tsy mila anao hitsara
Entin’ny herim-pony satria tsy maintsy mihinana
Tsy misy Ray na Reny hisafo sy hamihina
--------
Rohy:
331 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rakotoharisoa
Nampiditra : lucia1
Daty : 16/01/2021 17:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145