TSITSIO NY ROTSA-KAZO (Rakotoharisoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mba taiza ny mikapoka ny menaky ny aina
Herisetra sy famaizana, fiadian’ny kely saina
Midaroka ny kely, manampatra ny heriny
Marary anie ny ankizy, ka lozanao ny feriny !
Tsy misy teny ierana, tsy misy adi-hevitra
Dia resy indray ny kely, dia izy no mandefitra
Satria maditra, fetsy ratsy, na hoe be sitra-po
Dia azonao didiana jadona tsy maintsy hankato ?
Nefa isika lehibe raha salanidanitra iny
Dia miaraka manaiky f’izy ireo tsy manan-tsiny
Raha izaho no mandidy dia efa ela no nalazo
Ilay fomba fitiavana ombaina rotsa-kazo
--------
Rohy:
455 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rakotoharisoa
Nampiditra : lucia1
Daty : 19/05/2020 17:46
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098