You are here: home > Vetso

TAHAK'IZAY - Rakotoharisoa

Azo vakiana?

Tahak’izay aho rivotra ka nirenireny
Nanjohy anao foana teny rehetra teny
Tahak’izay aho rano lasa nikoriana
Nisafo ny endrikao raha sendra fahoriana
Tahak’izay aho alina mampatory anao
Tahak’izay aho andro mifoha ho anao
Tahak’izay aho volana dia nanazava
Ny alinao ry tiako, baliaka lalandava
Tahak’izay aho hira,mivetso tononkalo
Hiaino ahy ianao, rehefa mba mandalo
Tahak’izay aho nofy entinao matory
Tompon’ny sainao, na sambatra na ory
Tahak’izay aho teny, monina eo imolotrao
Mitety tsisy fetra ny eritreritrao…
Saingy izao aloha, izaho dia izaho ihany
Dia lasam-borona eto, manonofy ihany

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Rakotoharisoa

Nampiditra : lucia1
Daty : 19/05/2020
Mpamangy : 87
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TSITSIO NY ROTSA-KAZO
Tsy maty ianao