ANDRAN-TSIRO (Tiavina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tendron-tratran-dreny
no nisantara-nanandramana
ny tena tsiron-kanina.

Fa teny rehetra teny,
teny am-pikatsaha-namana,
nirotsaka ny hanina.

Dia tendron-tratran'olona
tsy fantatra iny akory
no nanaitra izany fo.

O! nanomboka ny tolona.
Ninofy hatrany an-tory
ilay teboka ankiroa.

Tiavina
28 Desamba 2005
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
839 1
Mpakafy: sky16
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tiavina
Nampiditra : oberlin
Daty : 02/12/2007 18:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135