BODO DIA NITIA (Tiavina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy ...
Fa tsy fidiny ny bodo
ny ho bado
Dia matin-dokam-boka,
tsy nisaina hibikabika
ny dikan-tenim-boky
Fa kobaka finafin'ny vavanao,
tsentsafiny.
Ka roboka, nitsoboka
Any dia namantana...
Namakivaky ny atin'ny
koba tsara tsoka.
Sa ... vinakivakin'ny atin'ny
tsoka tsaran-koba

... Dia babonao fitiavany
Daba roy anarany.
Basy ianao nidoboka.
Daboka izy, resy.
Biby ianao fitsarany.
Boba rano (ny) masony.
O! dibadiba kibony.

Tiavina
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
879 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tiavina
Nampiditra : oberlin
Daty : 02/12/2007 17:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134