Tsy maintsy (Tiavina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MAINTSY

Na be mpanakiana, na maro mpanebaka
fa be sentosento sy be faniriana,
hanoratra ihany aho.

Na atao fihomehezana, zary fandatsa
fa be ranomaso, malemy tehezana,
hanoratra hatrany aho.

Hanoratra foana, na ho lany fotoana.
satria mbola maro ny tokony hambara
anatra ho an'ireo dimby sy fara

Hanoratra mihintsy, satria mbola misy
ny lesoka sy ny tsy maintsy harenina
fanampin'izay, mbola be ny hotenenina

02 Janoary 2003
Tiavina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
888 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tiavina
Nampiditra : oberlin
Daty : 02/12/2007 17:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137