Hanadino anao aho (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanadino anao aho
Fa hay nofinofy
'Lay voadintsika roa
Tato anaty fesiboky
Fa hay diso fiantefa
'Lay onjan'ny fitiavako
Hatrizay aho tsy nahalala
Androany lahy vao tsapako
Ka moa ve hadisoako ?
Raha ataoko ny veloma
Eny afoiko ianao
Dia aza mba tsaroana
Aleo hivalona any
ny tantarantsika roa
Ka aleko manadino
fa maka areti-po
Ka moa ve omenao tsiny aho ?
Raha somary miaka-peo
Manko feno ny kapoakako
Leo aho tena leo
Kanefa na izany
Tsy anozona aho akory
Fa andeha fotsiny aho
Tsy ho hitanao intsony
(Tohaina)
--------
Rohy:
Sokajy : TSIARO - Fiononana - Fitiavana
1392 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01