Raha tsisy (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tsisy intsony hono
ny mpanoratra rehetra
Banga ny asa soratra
ho faty ny talenta

Raha tsisy intsony indray
ilay talenta ao anaty
Very ny asa soratra
Ho leo ny mpamaky

Raha tsisy intsony koa
ianao mpamaky ny " poème "
Irery ny asa soratra
Ho kivy anie ny penina

Raha tsisy intsony moa
ireny penina ireny
Zava-poana ny asa soratra
Ho potika ny teny

Penina Misioka
(Tohaina)
--------
Rohy:
1041 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139