Maty ny sipako (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andray 'lay voadinay
ny volana aogositra
Simbain'ny janoary
indrisy potika! potika
Alahelon' iza loatra ?
iny rivo-doza iny
no nandrava ny fitiavako
kanefa tsisy tsininy
Nahoana re e ?
Nahoana izy ihany ?
fa tsy izy mianakavy
no tototry ny tany
Raha anjara ny azy
moa ve hionona ny foko ?
amin'izao ora izao
nodimandry ilay tsy foiko
Nefa anie ry reto,
vao tsy ela akory izay
vao tsy nisy iray volana,
'lay andro nihaonanay
Fa hay iny andro iny
faran'ny fihaonana
hay ny andro androany
fiandohan'ny fisaonana
Alahelo mafy ny ahy
fa ranomaso isan' ora
Ka ohatr' inona re ny aina ?
mba ho vidiko vola
Fa hafa ihany izy iny
ka iza no ahasolo?
fa maizina ny tany
mainty ny tontolo
Eny, ho sotroiko ihany
'lay rano tsy tiana
satria Jehovah no hiady
izaho kosa hangina

Tohaina Andriamirado 2018
--------
Rohy:
1300 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016