Tsiaro (Tsiky Andrian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa mitamberina ato antsaiko,ireo zavatra niainako taloha.
Dia nirotsaka ny rano maso ,ka narary koa ny andoha
Nefa toa zary fifalina ho ahy ny mahatadidy ndray an'ireo fahiny
Ka velontsento kely ,nanotany tena oe izao ilay taminy iny?

Indrindra fa ny fahazazako ,ilay milalao diavolana!
Toa tsy mahatsiaro ny andro alina,sy tsy mba nahatsapa izany olana.
Fa toa feno fahasambarana miara faly amin'ireto sakaiza.
Toa tsy tsarona itsony izay mba hiafarana hoe atraiza.

Dia nandalo fahatanorana,ka nikaroka jakaka!
Nefa moa ny tena sarokenatra ka tsy mba nety nahazaka.
Ireto akama maporisika ialahy ve tsy lelahy.
Dia miezaka tsy satry,fa mba tia anindry mafy.

Ka nefa tamin'izany tsy mba misy risika,
Dia lasa kely aloha mipensa mitifitra ody risika

Dia nandeha teny ny andro ka nahazo izay sahaza.
Ay kay moa ity fitiavana tsy mba kilalao anjaza a.
Fa toa tsy mapahita tory no sady mampiteny irery.
Indraindray aza mo toa lasa midepra kely.

Izany rehetra izany no mitamberina ato antsaiko
Ka noraisiko ny peniko, namokako ny aingampanahiko.

Ainga tsy tana in Jordanie 2k26
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
6 1
Mpakafy: TsikyAndrian
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiky Andrian
Nampiditra : TsikyAndrian
Daty : 02/02/2026 19:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113