Zandry a ! (Tsiky Andrian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zandry a,enao hono to kivy raha naha re fa lasa izy
Sady to mitady hamoy fo noho ny fiainana mangidy
Zandry a,mapitandrina aho mapitraka satry ny iray minitra sarobidy,
Ka aza varina mandany andro mandinika an' izay lasa sy tadidy
Fa avalony any avelao anaraka anazy,
Reo tantara niaina anareo raiso ho vazivazy
Aza atao atsaina akory, fa avelao izy ande
Sao dia anjary sorisory ,ka ampy dominé.

Ny fiainana no hiaino ka angalao fafiny
Fa adinoy tateraka any na ny endriny na ny fitafiny.
Ataovy toy ny tsy nisy reo niaina anareo fahiny
Fa ny ho avy no mbanjino dia atsarao ny ankehitriny.

Aza manozina azy, fa tsofirano izy
Mba tsy ho tratran'ny sampona ka tsy anjakan' ireo krizy,
Satry tsy anjara ny anareo dia avelao ivalona any.
Fa tsy izany no atao apitanondrika na koa apitomany.

Zandry a,asehoy anazy fa ianao ko mahavita azy.
Aza manaiky domineny fa angalao korazy
Reo teny zany nandratra nataony tamin'izany
Dia raiso ho fitaovana entina mitraka hatrany.

Tsiky Andrin le 06 sept 2023 in Jordanie
--------
Rohy:
355 1
Mpakafy: TsikyAndrian
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiky Andrian
Nampiditra : TsikyAndrian
Daty : 04/10/2023 20:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0757