Sombinaina (Tsiky Andrian)

Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hikalo ho anao aho,ho anao ry sombin'aiko
Fa ianao no mba mpandimby rehefa tapitra ny aiko.
Ka hotiaviko sy hajaiko ka tsy mba ho ankahalaiko
Fa ho tolorako fitia ,sady ankalalaiko

Rehefa iny ianao misento,dia izaho no malahelo.
Ka ny vesatry ny saiko dia ho tsy ambaratelo.
Na iaretako ny mafy aza sy ny mangirifiry
Dia hiezaka hatrany aho hanome fitia izay makadiry

Satria ianao ilay sombiny aiko, izay niala tamin'ny aiko
Dia izay mavesatrao tsy manahy fa holanjaiko
Fa ny tena fifaliako dia ny mba hiadananao
Ka raha misy manahirana dia eto Dadanao.

Tsiky Andrian in Jordanie 23h36 le 05 oct 2023
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
541 1
Fans: TsikyAndrian
Commentaires
hery ( 01/11/2023 11:40)
Tsipelina disodiso maromaro: (izay hitako ihany)

Hikalo fa tsy ikalo
hotiaviko fa tsy ho tiaviko
hajaiko fa tsy ajaiko
mpandimby fa tsy mpadimby
ankahalaliko fa tsy akalaiko
fitia fa tsy fity
vesatry ny saiko fa tsy vesatrin'ny saiko
izaho fa tsy za
tsiambaratelo fa tsy tsy ambaratelo
hiezaka fa tsy iezaka
hanome fa tsy anome
satria fa tsy satry
holanjaiko fa tsy ho lanjaiko
fifaliako fa tsy fifaliko
hiadananao fa tsy iadananao
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tsiky Andrian
Inséré par : TsikyAndrian
Date : 05/10/2023 20:49
Lectures
Lu par hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113